Politique

Magro Antsirabe : Aleo hifaninana Rajoelina sy Ravalomanana


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Mafana hatrany ny tolona ataon’ireo mpomba ny filoha Ravalomanana ao Antsirabe isaky ny alarobia sy sabotsy.

 Niompana indrindra tamin’ny fihainoana ilay valandresaka nifanaovan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny mpano gazety farany teo ny tao an-kianja ny sabotsy tolakandro teo. Izany dia mba hahafahan’ireo mpomba azy namantatra tamin’ny antsipiriany ny resaka na dia efa nisy ihany aza ny nivoakaan-gazety taorian’iny. Ankoatra izay dia mitohy ny fizaram-baovao sy ny fandraisana fitenenana. Anisan’ny nisongadina ny hafatra nentin’Atoa Frederick avy ao amin’ny MFM  nilazany fa krizy sarotra novahana indrindra ity indray mitoraka ity noho ny fisian’ireo firenen-dehibe maro mifandritaka noho ny tombontsoany eto Madagasikara.

Tafiditra ao ny Frantsy, hoy izy, izay mitetika ny hamerina ny fanjanahana eto noho ny fahafantarana fa ho firenena goavana i Madagasikara atsy ho atsy noho ny fisian’ny solika izay efa manangasanga. Nohamafisiny fa mahasarotra ny famahana ny krizy ihany koa ny tsy fifampitokisana eo amin’ireo samy mpandroba fahefana, eo amin’ny samy miaramila ary eo amin’ireo firenen-dehibe manelanelana. Ny nisongadina koa dia ny nangatahan’ireo mpitolona ao amin’ny Magro ny filatsahan-kofidian-dRajoelina ho filoham-pirenena ka atao mazava ny mpifaninana aminy dia ny filoha Ravalomanana mba ho tena miady tanteraka ny baolina.

Fa tetsy andanin’izay dia nitondra hafatra ho an’ny mpitandro filaminana ihany koa ny solombavambahoaka teo aloha, José Randrianantenaina ka nilaza fa tokony handini-tena izy ireo manoloana ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara fa tsy ny hisakana ny fodian-dRavalomanana no hibahana amin’izy ireo. Efa mahantra ny vahoaka sady miaina anaty tsy filaminana. Nambarany ihany koa fa tsy tokony hiroaroa saina intsony ny mpitolona ny amin’ny fodian’ny filoha eto an-tanidrazana satria efa mazava izany ka ny fiandrasana azy no sisa ary ny fiomanana amin’ny fifidianana no tokony hatao. Efa saika miomana ho amin’izany avokoa moa ireo parlemantera manerana ny Nosy. Ankoatra izay dia tsy tokony hifanenjika ny samy mpitolona fa mila mifanambatra hery amin’izao famaranana ny tolona izao.

Caius R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT