Politique

Magro Ankorondrano Ny Fitsarana tampony no tompon-teny farany momba azy


  • Talata 31 Janoary 2012

Tsy tokony ho nanao tolobidy momba ny tany nampiasain’ny Magro etsy Ankorondrano ny Antenimieran’ny varotra izay tompon’ilay tany, hoy ny Me Radson Solo mpisolovava ny orinasa Tiko mandra-pivalin’ny fandravana didy nangatahan’ny Tiko tany amin’ny Fitsarana tampony.

 Nambaran’ny Maitre Radson Solo fa efa nisy tokoa ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo izay nohamafisin’ny Fitsarana ambony tamin’ny martsa 2011 fa foana ny fifanarahana fifanofan-tany nisy tamin’ny orinasa Tiko sy ny Antenimieran’ny Varotra noho ny tsy nahaloavan’ity orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity ny hofan-tany tamin’ny taona 2009. “Ekena fa malalaka izay hampiasany ny taniny ny Antenimieran’ny varotra saingy rehefa nanaovana fangatahana fandravana teny anivon’ny fitsarana tampony tamin’ny taon-dasa anefa ny didy dia tokony hiandry izay valinteniny aloha vao miroso amin’ny fitadiavana orinasa hafa hanofa ilay tany. Mino koa aho fa efa nampitain’ny fitsarana amin’ny Antenimieran’ny varotra ny antontan-taratasy momba izany”, hoy izy. Araka ny tsilian-tsofina reny mantsy dia efa nanao tolobidy vaovao ny tompontany ary ny sabotsy lasa teo no namoahana sy nandinihana ny antontan-taratasy avy amin’ireo mpifaninana. Tsy mbola tampina tanteraka izany ny daomy ho an’ny Tiko satria didy roa ihany no avoakan’ny Fitsarana tampony. Na izany fandavana ny fangatahana fandravana didy na fandravana mihitsy ilay didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT