Politique

Mafana ny toe-draharaha Raikitra ny valifaty politika


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Namoahan’ny Procureur Général eo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo Didy fandrarana tsy afaka hivoaka ny sisintanin’i Madagasikara na IST i Ny Rado Rafalimanana.

 

 

 

 

Dosie efa tamin’ny taona 2019 no voalaza fa hanenjehana azy. Taorian’ny resabe sy adihevitra momba ny diany saika hanatitra fanampiana ireo traboina tany Tanambe no miseho ity raharaha ity. Nambaran’ny zandarimariam-pirenena ho nanao heloka sy fandikan-dalàna mihoapampana nihoatra ny sakana natao sy tsy nanaiky nanome ny taratasin’ny fiara izy. Azo natao tsara ny nitifitra azy taorian’ny fampitandremana in-telo miantoana, izay nolavin’iry voalohany. Raharaha hafa ihany koa iny. Tena mafampana ny toe-draharaha politika sy ny famoahana ireo ambara fa dosie maloto tato anatin’ny fotoana fohy. Efa tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 no nifampitandroka tamin’ny fanjakana ankehitriny i Ny Rado Rafalimanana. Namoahana IST ny filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra, izay Tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha. Henjehina ara-pitsarana i Fleury Rakotomalala izay any andafy no manao fanehoan-kevitra mivaivay mamely ny fanjakana. Noroahina tsy ho mpitsara i Fanirisoa Ernaivo. Tany aloha dia efa namoahana izany ihany koa ny Tale jeneralin’ny ARTEC teo aloha Briand Andrianirina. Saringotina ao anatin’ny raharaha Kraoma ry Henry-Rabary-Njaka. Minisitra maromaro tamin’ny andron’ny HVM henjehina eny amin’ny PAC sy ny HCJ,… Misy ny efa tafatsoaka any toy ny minisitry ny paositra teo aloha Maharante Jean de Dieu satria matahotra ny hogadraina. Ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia dia voalaza fa saika hisy handoro ny tranon’ingahy Harifidy Ramanandraibe mpanao famakafakana politika, saingy tsikaritry ny mpiray vodirindrina teo am-pandrararahana lasantsy ireo olon-dratsy. Amin’ny lafiny iray, dia mety ho endrika asehon’ny fitondrana amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tena miady amin’ny kolikoly io. Raha ny lafiny ara-politika, dia mety ho paikady handemena ny mpanohitra no ao ambadika, ary ao anatin’ny fanehoan-kevitra sy kiana samihafa no isehoany. Azo adika ho fahalemen’ny fanjakana sy handrehitra ny afo politika eto ihany koa io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT