Ny marainan’ny 24 desambra lasa teo no nanatitra taratasy fangatahana hanao diabe miainga manoloana ny kianjaben’i Mahamasina mandrapahatonga eny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny sabotsy 28 desambra izao,
teny anivon’ny prefektioran’ Antananarivo, ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Tsy niandry ela ny valin-tenin’ny prefen’Antananarivo, Jly Ravelonarivo Angelo. Tsy nekeny io fikasana ho an’ny antoko TIM io. Nambarany fa antony maro no nandavana izany toy ny fisian’ny « bazar de Noel » eny Mahamasina sy fitohanana be lavareny amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Tsy azo ekena ny filaharana amin’izay fitandroana ny filaminana izay fa kosa tsy manakana ny prefektiora amin’ny fanaterana fitarainana, hoy hatrany izy. Raha tsiahivina, misy tsy fetezana maro eto amin’ny firenena no mahatonga ny antoko TIM hikasa hanao filaharambe ny sabotsy 28 desambra ho avy izao ary mikasa hanatitra fitarainana sy porofo isan-karazany eny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny hetsika. Ankoatra izay, mendrika fety milamina ny vahoaka ka hamafisina ny fanaraha-maso eny ifotony hatrany amin’ny fokontany eto an-drenivohitra mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona.
Mihorohoro ny fanjakana…
Ny sabotsy 21 desambra lasa teo nisian’ny hetsika nataon’ny mpanohitra teny amin’ny Kianjan’i Magro, dia efa rakotra mpitandro filaminana hary fitaovana teny amin’ny manodidina. Tsy vitan’izay, fa mbola hita nisidintsidina nitsirika teny ambony angidim-bian’ny tafika izay tsy mazava loatra ny antony. Tombanana ho manara-maso ny zava-miseho tety ambany. Midika io fa tsy manao ambanin-javatra sy matahotra mafy ny hetsi-pitakiana amin’izao fotoana izao ny fanjakana. Miakatra tsikelikely hatrany ny maripana politika, ka mila mitandrina ny fanjakana eo anatrehan’ny fahatokisan-tena toa diso tafahoatra eo anatrehan’ny zavatra toa tsy mety ataony.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.