Nanomboka ny alarobia teo no fantatra fa nilatsaka ny baiko ny amin'ny fanaovana “consigné” na miatrana ny toby miaramila rehetra eto an-drenivohitra sy any amin'ireo renivohi-paritany dimy hafa.
Araka ny fantatra dia misy mihitsy ny miaramila izay efa leo tanteraka ny zava-misy iainan'ny firenena ankehitriny. Mihazakazaka ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao. Eo ny fiverenan'ny amiraly Ratsiraka an-tanindrazana izay inoana fa tsy tongatonga ho azy ihany koa. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny fikatsoan'ny famoahana ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Ny antoko Monima izay tarihin'i Monja Roindefo nikasa ny hamory olona teny Alarobia ny sabotsy teo saingy voarara ka tsy tanteraka. Zava-misy avokoa izany rehetra izany. Taitra tampoka ny filohan'ny FAT ka nanao fanambarana ny alin’ny sabotsy teo fa ho avy tsy ho ela ny governemanta. Tsy tafavoaka mihitsy anefa raha izao zava-misy izao no zohina. Tamin'ny faran'ny herinandro dia niely ny resaka teto an-drenivohitra fa misy mihitsy ny andiana manamboninahitra mikasa ny hanao fanambarana. Ny ao anatin'ilay fanambarana kosa anefa aloha tsy mbola voafaritra. Na izany na tsy izany herinandro lehibe ho an'ny firenena ity herinandro vaovao ity. Ho hita eo ny tohiny.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.