Mitsidika ny any amin'ny faritra Boeny indray Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy nanomboka omaly alarobia.
Nandalo tao Maevatanana izy, avy eo nitsidika ny Kaominin’Ambalanjanakomby. Nisy ny fihaonany sy fifampikasohany mivantana tamin’ny vahoaka tamin’izany na somary tampoka aza ary dia hita fa tena mamim-bahoaka ny tenany. Nitodi-doha nihazo an’i Mahajanga avy eo izy sy ny mpanara-dia azy. Araka ny fantatra dia nasaina hiatrika ny famaranana ny fiofanana diakona sy loholona avy amin'ny synodam-paritany Boina izy. Mety mbola hisy ihany moa ny fandaharam-potoana hafa ankoatr’io fa dia hampitaina eto araka ny fivoaran’ny toe-draharaha. Izao no fivoahana any amin’ny faritra heverina fa lavitra, ivelan’ny faritanin’Antananarivo voalohany nataon’ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity hatramin’ny niverenany indray teto Madagasikara. Na dia efa dimy taona latsaka aza anefa no tsy nifankahitana mivantana dia tsy niova ny fitiavan’ny vahoaka azy, ary toa vao maika aza nitombo indray. Maro ireo olona nankahery azy mba tsy ho kivy, nandritra izao diany any andrefana izao fa hanam-pinoana sy hijoro hatrany amin’ny adidy mavesatra hiantsorohany ho an’ny tombotsoan’ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.