Nampahafantatra ny antotan-kevitra vokatry ny fanadihadiana nataon’izy ireo Rtoa Madeleine Ramaholimiaso mpikambana ao amin’ny SEFAFI (Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena) sy Dr Bruno Rakotoarisoa, mpikambana CENI teo aloha avy amin’ny KMF-CNOE, nifarimbonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny atitany teo aloha, Rabotoarison Sylvain sy ny filohan’ny CENI teo aloha, Rakotomanana Hery, fa dia azo atao tsara ny manatanteraka fifidianana solom-bavam-bahoaka sy filoham-pirenena amin’ity taona 2012 ity. Amin’izy ireo dia tokony hatao alohan’ny faran’ity volana mey 2012 ity ny fanaikana ny mpifidy ho amin’izany. Nanambara koa ireto mpikambana amin’ny fiarahamonim-pirenena ireto fa mety hilatsaka any amin’ny volana desambra 2012 ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Raha ny lalàna mifehy ny fifidianana dia tsy azo atao izany satria efa tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny rotsak’orana, na izany aza dia azon’ny CENIT atao tsara ny maka ny hevitry ny fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES mikasika izany, hoy i Bruno Rakotoarisoa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.