Politique

Madagasikara tsy milamina Olana fototra ny Lalŕmpanorenana


  • Zoma 13 Mey 2016

Tsy afaka ny hanome fahafaham-po ireo sendika Malagasy samihafa mihetsika manao fitakiana amin’izao fotoana izao ny mpitondra mahefa, hoy ny mpanao politika Victor Hong.

Ny antony dia satria tsy manambola ny fanjakana eto Madagasikara. Tokony hisy aminy ny fifanatonana sy fifampiresahana amin’ny roa tonta. Mila mandray andraikitra haingana ihany koa ny filohan’ny Repoblika hisorohana ireo fihetsika tsy voahevitra toy ny fisian’ny fanonganam-panjakana mbola hanapotika sy hampahantra bebe kokoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Olana fototra eto moa ny Lalàmpanorenana Malagasy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny OFPACPA. Miainga avy amin’io Lalàna fototra io avokoa mantsy ny trangan-javatra tsy mety rehetra eto amin’ny firenentsika ka mahatonga ny tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra fanjakana. Ilaina ny fanovàna ny Lalàmpanorenana mifototra amin’ny fitsinjovana ny fiarahamonina eto Madagasikara izay nanjakan’ny fitiavan-tena hatrany tamin’ny fandrafetana hatramin’izay. Adidin’ny tafika tandroka aron’ny vozona kosa ny manosika ireo mpanao politika hifandinika sy handrafitra Lalàna fototra hampilamina fahizay ny tany sy ny fanjakana Malagasy.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT