Politique

Madagasikara Tsy handroso mihitsy raha tsy voafehy ny fitsinjaram-pahefana


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Ny zava-misy eto Madagasikara, any ambanivohitra dia mbola amin'ny fomban-drazana ny fambolena sy fiompiana ka tsy mety tafita any amin'ny tantsaha ireo teknika moderna.

 

Isika anefa manana injeniera maro be amin'ny resaka fambolena toy ny fifehezana ny rano, toetry ny tany, toetry ny andro.

Olana fototra

Tsy azo antoka ny fandriampahalemana izay sakana amin'ny asa famokarana. Mbola tsizarizary ny fitsaboana sy fiahiana ara-tsosialy. Vao sarotsarotra ny aretina any ambanivohitra dia lazaina fa mosavy io na lazaina fa efa tsy avotra intsony dia miandry fahafatesana eo. Tsy afaka mampiana-janaka araka ny tokony ho izy ny tantsaha sy mponina any ambanivolo satria tsy ampy vola ary tsy ampy koa ny sekoly sy ny mpampianatra. Mandeha foana ny resaka fa tantsaha avokoa ny 92%-n`ny Malagasy. Nivoaka ny antontanisa tamin`ny taona 2017 fa 2% amin`izy ireo ihany no manana asa mendrika. Vokany, mirohotra miakatra an-drenivohitra ny mponina fa hoe any no misy afera sy vola. Lasa mitombo be ny isan'ny mponina ambonivohitra. Tsy ampy intsony ny fotodrafitrasa, lasa mikorontana, maloto, miroborobo ny sehatra tsy ara-dalàna, tsy ampy ny asa misy, maro ireo olona tsy ampy fahalalana sy tsy nianatra ka tsy tafiditra anaty orinasa. Lasa mitombo ny tsy fandriampahalemana.

Misy ny vahaolana

Mila fitsinjaram-pahefana tena izy, mety ary mahomby fa tsy mivangongo amin'ny tanàn-dehibe ny fahefana sy ny vola ary ny fahalalana. ampitomboina ny sekoly, toeram-pitsaboana, isaky ny kaominina, jerena izay tetikasa mety isam-paritra, vatsiana vola ary ny mponina hofanina hiasa. Omena tombony ara-drariny amin'ny harena trandrahana ao aminy ny fokontany kaominina ary faritra iray. Rehefa misy ny asa, efa mihena amin'ny ampahany ny asan-jiolahy. Ampitomboina ny sekoly ary hofanina sy tohanana ny mpampianatra. Misy zavatra mila kitihana amin`ny programam-pampianarana eto ary tokony ho efa beazima sy hofanina hahay hitrandraka sy hitantana ny zavatra misy ao amin’ny faritra iainany ny Malagasy. Any amin`ny fanabeazana fototra no atao mitovy ny fampianarana fa aorian'izay dia ilaina ny fahaiza-manao manokana.

Marigny A.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT