Politique

Madagasikara Tsy afa-bela amin’i Frantsa


  • Zoma 20 Mey 2016

Goavana ny asa miandry ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny amin’ny fanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara na ny endriny io na ny votoatiny.

 

 Mampieritrertra ny vokatry ny tsapan-kevitra natao momba ny lohahevitra hoe : « Tokony hatao amin’ny teny malagasy ve ny fampianarana eto Madagasikara ?”. Ny TSIA no nandresy nahazo ny 48,62%, izany hoe tsy manaiky ny hampiasana ny fiteny malagasy enti-mampianatra eto Madagasikara. Ny ENY kosa dia 30,27% ary vao miha mahavalalanina ny 21,10% milaza fa tsy manan-kevitra. Malagasy daholo anefa ireo olona namaly io tsapan-kevitra io. Midika izany fa efa tena latsa-paka amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fiteny vahiny dia ny Frantsay ka tsy mbola azo eritreretina hatreto ny hialana aminy. Voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana rahateo, araka ny andininy faha-4 fa ny teny malagasy sy frantsay no teny ofisialy. Amin’ny fiainana andavanandro dia mampiasa ny “teny vary amin’anana” ny ankamaroan’ny Malagasy. Ohatra iray amin’ny ireny ny fanononana ny laharana telefônina izay atao amin’ny fiteny frantsay no tena manavanana ny olona eto. Ny resaka vola, ny fanoratana taratasy ofisialy, ny teny ampiasaina amina fivoriana dia matetika ny teny frantsay. Ny ankamaroan’ny tatitra na taratasy ofisialy anaparitahana vaovao dia amin’ny fiteny frantsay ny 95%. Mazava fa tsy afa-bela amin’i Frantsa aloha i Madagasikara hatreto ary tena nandaitra ilay 96 nanjanahan’ny Frantsay an’i Madagasikara fa niitatra hatrany amin’ny fanjanahana ara-tsaina sy ara-poto-kevitra. Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto anefa, ka raha tena ao ny fahavononana sy ny fitiavana hampiasa amin’ny sehatra rehetra ny teny malagasy dia vita io.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT