Politique

Madagasikara Tandindomin’ny fanonganam-panjakana


  • Talata 06 Septambra 2011

Firenena 30 eo ho eo amin’ireo 53 eo anivon’ny Vondrona Afrikanina no nanaovan’ny orinasa StrategiCo fanadihadiana momba ny fahasahiranana lalovan’ireo firenena ireo.

 Firenena 6 amin’ireo no mbola azo ambara fa maivana ny krizy lalovany toa an’i Bénin, Ghana, Mozambika, Zambie, Sierra Leone, Libéria. Firenena afrikanina 11 hafa, mandalo krizy koa no sokajian’ity orinasa tsy miankina ity fa mbola azo tantanana ihany toy izay miseho any Mali, Kenya, Sénégal, Côte d’Ivoire. Fa ankoatra ireo dia sokajian’ny StrategiCo ho tena sarotra sy manahirana be ny hamaha ny krizy amin’ny firenena 13 hafa ka anisan’ireo i Madagasikara. Be loatra ny risika, araka ny fanadihadiana any Congo Rdc, Tchad, Cameroun ary dia any amin’ny laharana faha-9 no misy an’i Madagasikara.

Ny olana ara-politika no tena sakana eto amintsika, raha ny fanadihadiana. Niteraka fitokana-monina sy fitontongan’ny toekarena izany. Manahy aza ny StategiCo ny mbola mety hisiana fanonganam-panjakana satria varavarana misokatra ho amin’izany ireo tranga notanisaina teo. Tamin’ity volana septambra ity no namoahan’ny StrategiCo ireo valin’ny fanadihadiana ireo. Orinasa tsy miankina misahana manokana ny fandalinana ny momba ny resa-bola, toekarena ary politika sy ny mety ho kisary hitranga amin’ireo sehatra ireo ny StrategiCo.

 

Nangonin’i Soa

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT