Politique

Madagasikara sy ny mpamatsy vola Mbola resaky ny moana sy marenina


  • Sabotsy 19 Martsa 2016

Nandritra ny 3 andro no nihaona sy nifampidinika tamin’ny manampahefana Malagasy Rtoa Antoinette Sayeh, talen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’i Afrika.

 

Nifandimby niresaka taminy ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny minisitry ny vola, ny minisitry ny toekarena sy ny governoran’ny banky foibe ary ireo mpandraharaha.

Fepetra

Mbola manasokajy an’i Madagasikara ao anatin’ireo firenena mahantra sy kely fidiram-bola ny FMI ka na misy aza ny ezaka vita tahaka ny fanatsarana ny fampidiran-ketra sy ny fanafoanana ny vola omen’ny fanjakana ireo mpandraharaha amin’ny solika dia maro be no asa miandry. Mialoha ny mety hahazoantsika famatsiam-bola amin’ny alalan’ny FEC (facilité élargie de crédit) izay karazana fanampiana ara-bola handresena ny fahantrana dia misy ny fepetra takian’ny FMI. Lohalaharana amin’izany ny fanamafisana ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly. Mila fitandremana ihany koa raha ny hevitry ny FMI ny fampiharana ny politika ara-bola mba tsy hampatevina loatra ny trosan’ny fanjakana. Misy ny asa sy ezaka goavana mbola tokony hataon’i Madagasikara amin’ny fanamafisana orina ny toekarena sy hanana fitomboan’ny harinkarena betsaka kokoa noho ny efa misy amin’izao fotoana, ny fihatsaran’ny fiainan’ny mponina no porofo fa miha salama ny toekarena, hoy hatrany ny FMI.

Ny FEC

Tsara homarihana fa fanampiana ara-bola ho an’ny tany mahantra sy mandalo krizy ny FEC voalaza etsy ambony, fa izany hoe nohamoraina kokoa ny fahazoana azy, tanjona ny hanamarinan-toerana ny toekarena ao amin’ilay firenena iray ka hampifandanja ny vola miditra sy mivoaka, izay mbola tena asa goavambe raha ho an’i Madagasikara manokana ary tena mila ezaka sy asa avy amin’ny rehetra dia ny fanjakana, ny mpandraharaha, ny vahoaka ary ny mpiara-miombon’antoka. Tsy ho tanteraka mihitsy anefa izany rehetra izany raha tsy misy ny fitoniana ara-politika eto izay fepetra voalohany takian’ireo mpiara-miasa amintsika. Tena miankina amin’ny fahatomombanan’ny fifampiresahan’i Madagasikara amin’ny FMI anefa no hivoahan’ny famatsiam-bola rehetra

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT