Taorian’ny fifampiresahany tamin’ny filoham-pirenena dia nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy
ihany koa omaly tolakandro teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny Masoivoho vaovaon’i Aostralia Ramatoa Jennifer Ann Dee izay monina any Maorisy. Nanotrona ny fotoana ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena. Nivoitra tamin’ny resaka nifanaovan’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Aostralia izay efa nisy hatramin’ny ela, indrindra ny eo amin’ny lafiny fampianarana sy ny toekarena, ny fiarovana an-dranomasina ary ny fampiharana ny miralenta. Noresahana koa ny fiaraha-miasan’ny parlemantera roa tonta ka hananganana ny Vondrona Parlemantera Malagasy – Aostralianina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.