Nitsidika tamim-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely ny sabotsy 23 aprily 2016 teo,
ny delegasiona notarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Sinoa, Pan Yunhe notronin’ny Ambasadaoron’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, Rtoa Yang Xiaorong.
Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana eo amin’ny Antenimierandoholona Malagasy sy ny Antenimierandoholona Sinoa, fanatanterahana ny fampanantenana nolazain’ny Filohan’ny Repoblikan’i Chine tamin’ny Desambra 2015 momba ny fanatanterahana ny tetikasa miisa 10 hanampiana ny aty Afrika no nivoitra tamin’ny fihaonan’ny roa tonta.
Nambaran’Atoa Pan Yunhe fa tonga eto Madagasikara izy ireo hanamafy koa ny fiaraha-miasan’ny firenena Malagasy sy Sina. Misy itovizana betsaka ny andraikitra sahanina eo amin’ny Antenimierandoholona Malagasy sy ny CPPCC, hoy izy, nefa misy mampiavaka azy koa.
Ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana kosa dia nanatsidika ny fanampiana maro efa notanterahin’ny Firenena Sinoa teto Madagasikara efa nandritra ny fotoana maro, toy ny fanamboarana ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny lafiny fambolena… Nanambara ny mahakasika ny fitovian’ny andraikitra tanan’ny fahefana mpanao lalàna Malagasy sy Sinoa, ny andraikitra lehibe tantanan’ny vaomiera misahana ny Fifandraisana iraisam-pirenena eto amin’ny Antenimierandoholona Malagasy, ny andraikitra tanan’ireo Loholona amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny Governemanta amin’ny lafiny toekarena sy sosialy koa ny Filohan’ity Andrimpanjakana ity.
Nanasa ny Filoha Honoré Rakotomanana hiaraka amin’ny Loholona roa ho any Sina hitsidika ny Antenimierandoholona any aminy moa Atoa Pan Yunhe.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.