Taorian’ny vanim-potoana nahafaty an’ny kolonely Ratsimandrava dia efa nieritreritra ny rehetra fa aorian’ny ra mandriaka fanaovana sorona ny zana-bahoaka taorian’ny krizy 1972 dia angamba ho vita hatreo ny fanaovana sorona sy fitiavan-tena sy sezan’ny mpanao politika.
Tokony ho ny tombontsoan’ny vahoaka no imasoana tamin’izany. Nisy moa ny fitsarana ireo olona izay tafiditra tao anatin’iny raharaha iny. Nalefa nivantana tamin’ny radiom-pirenena ny fihainoana ireo olona voarohirohy tamin’ny famonoana filoham-pirenena. Ny antony dia ny mangarahara amin’ny resaka politika tamin’izany mba tsy hiverenany taty aoriana. Nalefa ampahibemaso mihitsy ny tantara. Maizina moa ny lanitra satria filoham-pirenena tsy ampy herinandro ny fitantanany dia maty novonoina. Taoriana kelin’izay, nisy ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka nivoaka tamin’ny fitantanana ara-miaramila. Firy sy firy anefa ny krizy nifanesy hatraty amin’ny taona 2020 ? I Madagasikara dia anisan’ireo firenena dimy mahantra maneran-tany. Raha jerena ny momba an’i Soudan, izay anisan’ireo mahantra ihany koa, dia ny hain-tany no tsy hahafahan’ny firenena mivoatra. Eo ihany koa ny ady amin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy. I Madagasikara anefa nosy, milamina sady afaka mamokatra tsara. Amin’izao tsy misy raha manjary. Ny tsy fisian’ny fifanolorana fitondram-panjakana tamin’ny fomba demokratika sy ny fisian’ny krizy nifandimby no mampahantra ny Malagasy. Tokony hahay maka lesona ny mpitondra amin’izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.