Mitombina foana ny hoe very 10 taona i Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana na inona na inona holazain’ny mpitondra ankehitriny. Efa nanana ny MAP isika, izay programam-pampandrosoana nipetrapetraka sy sahaza ny Malagasy, ary nisy famatsiam-bola fa tsy tahaka ny IEM hitadiavam-bola atsy sy aroa io.
Nanomboka niakatra ny harin-karem-pirenena izay 7,1% tamin’izany. Ny tetibolam-panjakana efa nahatratra 3 miliara dolara, tafapetraka ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny 3P. Nanomboka nety ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany, tafajoro ny rafitra rehetra iasana sy ny lalàna mifanaraka aminy. Nahazo fitokisana tamin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola isika ka nahafahan’ny tetikasa maro samihafa nandeha. Mason-tsivana hahazoana an’ireny ny fangaraharan’ny fitantanana ny fanjakana, ny ady amin’ny kolikoly. Hiverenana hatrany fa 85/180 ny laharantsika tamin’ny 2008, ary 127 kosa tamin’ny 2014 nialan-dRajoelina teo, ary 153 ankehitriny. Raha tena milaza tena ho miady amin’ny kolikoly izany Rajoelina sy ny ekipany, dia mila tonga any amin’ny laharana faha-80 isika vao tafaverina amin’ny talohan’ny fanonganam-panjakana. Ny fitokisana sy ny tetikasa tamin’ny andron-dRavalomanana ihany no narahana sy nezahina naverina tamin’ny fitondrana HVM sy ankehitriny. Ny vavan’io filoha ankehitriny io izao no nilaza sy nanaraby raha nilaza ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa tsy mbola afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika. Karazana eson-teny no nataon-dRajoelina mba hakana ny fon’ny olona fa ny an’I Marc Ravalomanana ny hitrosa amin’ny mpamatsy vola mahazatra ihany no ataony, fa ny azy kosa rehefa tonga eo dia isika indray no hampindrana an’i Kaomoro. Fatoran’ny teny natao ankehitriny ka mitalaho sy mitambezo vola etsy sy eroa. Ny manaiky an-kolaka izao no ataony fa marina ny an’i Marc Ravalomanana izay mbola manaporofo hatrany fa very 10 taona isika. Tsy ho toy izao raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana! Marina fa efa lasa izany, saingy mila todihana mba hahafaha-mijery ny ho avy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.