Mena ny tondro eto Madagasikara noho ny fahapotehan’ny toekarena miteraka ny korontana ara-tsosialy, ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny firenena manontolo ary fahaverezan’ny soatoavina.
Raha hanaovana jery todika ny tantaram-pirenena dia hita miharihary fa manalavitra ny fahitana vahaolana hivoahana amin’ny krizy ny fitondram-panjakana. Hotanterahina amin’ity taona ity ny fifidianana ho filoham-pirenena vaovao kanefa manahy ny politika maloton’ny fitondrana ny rehetra, hany ka lasa tsy misy intsony ny fifampitokisana. Raha tsy te hiteraka korontana sy fifandonana ary krizy hafa indray eto amin’ny firenena, tsara apetraka dieny izao ny fifanekena politika. Samy nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ireo antoko politika samihafa sy ireo mpahay fifandraisana iraisam-pirenena ary tsapan’izy ireo tokoa fa io no vahaolana mba tsy ho tonga amin’ny korontana isika. Torak’izany koa ny fitakiana ny lalam-pifidianana izay nataon’ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena tetsy amin’ny hotely Colbert tamin’ny taon-dasa. Ireo mpamatsy vola ihany koa dia tsy mahatoky intsony ny governemanta. Efa fantatra hatrizay ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitantana ny fiainam-pirenena. Ohatra amin’izany ny kolikoly avo lenta, miampy an’ilay fametrahana ny Faritra manokana ho an’ny toekarena na Z.E.S, izay fifanarahana tsy mazava amin’ny rehetra. Izany rehetra izany no mahatonga ny feo efa miainga any ambadibadika any fa tsy maintsy hirosoana aloha ny tetezamita, hamita ny fampihavanam-pirenena, hanova ny lalàmpanorenana sy ny lalam-pifidianana ary hametraka lalàna mazava mifehy ny fanaovana politika eto.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.