Politique

Madagasikara Mitady ho sempotry ny “hery iraisam-pirenena”


  • Zoma 08 Jolay 2016

Tanzanianina 2 hita tany Taolagnaro nilaza fa avy any Dares Halam, tetikasa famelana hanorina mosqué an’arivony

 

, miaramila frantsay miofana ao La Réunion, manamboninahitra frantsay nomena galona tetsy Ampahibe, trangan’asa fampihorohoroana tany Beroroha sy tetsy Mahamasina niampy ireo karazana fitaovam-piadiana mahery vaika tratra tao Nosy be. Ny filoham-pirenena Amerikanina niarahaba ny mpino Silamo Malagasy tamin’ny alarobia lasa teo, ny firoboroboan’ireo Orinasa sinoa sy Karana, ireo vahiny tonga teto fa tsy fantatra hoe oviana no nody sy ny vaovao hafa marobe tsy voatanisa tato ho ato dia ampahany ihany entina ilazana fa misy toe-draharaha tsy milamina eto amintsika. Ankoatr’izay anefa dia endrika mampiseho ihany koa ireo fa betsaka ny toe-javatra tsy voafehin’ny mpitondra intsony amin’izao fotoana izao ary fahatelo lehibe dia mitady hosarahan’ireo karazan-tranga ireo ny firaisam-pirenena ka ilana ny fanatontosana ilay fampihavanana farany izay haingana. Mampahatsiahy izany ny faharavaravan’ny firenena libianina tamin’ny fotoana nanalana ny filoha Kadhafi teo amin’ny fitondrany sy ny filoha ivoarianina tamin’ny fotoan’androny. Hany arofanina ho antsika tsy hahatongavana any amin’ny ady an-trano aloha hatreto dia isika mifanambady isam-poko. Io dia mbola endrika iray maha iray tsy mivaky ny Malagasy ka antenaina fa tsy ho rava. Mila malina ihany anefa isika rehetra na mpitondra na entina manoloana ireo tranga voatanisa teo aloha teo ireo.

J.M     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT