Nanao fanambarana mahakasika ny fiainam-pirenena ny SEFAFI na Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena.
Niompana amin`ireo fepetra ahazoana manatanteraka fiovana mahomby ho an’ny fitondrana ny firenena ny nahafahana nifidy filohan’ny Repoblika vaovao ny fanehoan-kevitra. Momba ny fepetra sasany tena maika, efa manenika ny fiarahamonina manontolo, hatrany amin’ny faratampony ka hatrany amin’ny farany ambany, ny kolontsain’ny tsimatimanota. Hafahafa ilay hoe ny filohan’ny Repoblika dia mbola filohan’ny filankevitra ambonin’ny Fitsarana ihany koa. Mifanohitra tanteraka amin’ny fotokevitra ijoroan’ny fanavahana ny fahefana io toe-javatra io. Tsy maintsy ahitsy noho izany ny andininy 107 ao amin’ny Lalàmpanorenana mba hanafoanana io zavatra hafahafa io. Saingy rehefa mety ho fanitsiana ny Lalàmpanorenana, na inona io na inona, dia tsy azo atao an-kinanga. Misy fomba manokana tsy maintsy anaovana azy, mila fotoana maharitra ny fandinihana... Betsaka ny lalàna nolanian’ny Antenimiera efa an-taonany maro no tsy azo ampiharina, noho ny tsy fisian’ny didy fampiharana na ny fepetra tsy maintsy arahina. Amin’ity sehatra ity, ny governemanta vaovao dia tsy maintsy mamoaka faran’izay haingana ny didy fampiharana ny lalàna izay tsy nahazo izany. Tsy maintsy ataony fitsipi-pifehezana ny tenany ny hamoaka ao anatin’ny iray volana raha ela indrindra ny didy fampiharana sy ny fepetra tsy maintsy arahina takian’ny lalàna vaovao rehetra. Ny asan’ny mpanatanteraka kosa etsy an-daniny dia mihisatra na miato isaky ny misy fanovana minisitra na tompon’andraikitra amin’ny minisitera. Ilay vaovao dia mihevitra fa tsy nisy nety izay nataon’ilay teo alohany sady tsy raharahiany koa ny fahaizana sy ny traikefan’ny teknisianina niara-niasa taminy tao, dia ny olona nentiny no omeny toerana ary ny fomba fiasany sy ny tanjona kendreny no tereny harahina. Ilaina maika ny hahalalan’ny tompon’andraikitra any amin’ny minisitera fa samy hafa ny politika sy ny teknisianina. Koa heverin’ny SeFaFi fa fotoana mety izao hampahafantarana ny sasantsasany amin’ireo fepetra takian’ny fiovana tena izy sy lovain-jafy. Tsy ny SEFAFI irery no velon’ahiahy fa saika ny herivelona maro toy ny mpanao politika, firaisamonim-pirenena, olon-tsotra, fikambanana,… fa efa miala amin’ny demokrasia ity, fa misy kajikajy avo lenta hatao. Amin’ity 2019 ity izany ny filoha, dia karazan’ny hiasa tsy misy fanaraha-maso sy tsy refesi-mandidy. Izy no filoha faratampon’ny foloalindahy, filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara, mety hanendry governoran’ny faritra,… ny andrim-panjakana afaka manara-maso hofoanana sy lany fe-potoam-piasana,… Toa manalavitra ny fitsinjaram-pahefana tena izy isika. Izany ve tsy efa te ho mpanjaka ilay filoha ?
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.