Fifanaraham-piaraha-miasa telo sosona no vita sonia omaly teo amin’ny fanjakana Maorisianina sy Malagasy, tatsy amin’ny nosy Maorisy
. Ny voalohany dia mikasika ny maha faritra ekonomika manokana ny toerana sasany eto Madagasikara sy any Maorisy. Ny faharoa dia momba ny fananganana Vaomiera iombonana ho fanamorana ny fifanakalozana traikefa amin’ny tontolon’ny toekarena sy ny fandraharahana. Ny fahatelo dia ny fanavaozana ny «Accord cadre” mandrafitra ny fiaraha-miasa ankapobeny eo amin’ny firenena roa tonta izay efa nanomboka nisy hatramin’ny aogositra 1968 teo amin’ny sehatra ara-diplomatika. Tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny faha-48 taona nahazoan’ny nosy Maorisy ny fahaleovantenany sy ny fanamarihana ny faha 24 taona naha Repoblika azy izay marihina anio dia mivahiny amin’ny fomba ofisialy any an-toerana Atoa Rajaonarimampianina Hery, filoham-pirenena Malagasy mankalaza izany fotoana izany. Nisy omaly ny fanasana manokana nataon’ny praiminisitra Anerood Jugnauth azy, ka tamin’izany no nanomezan’ity farany toky fa hanome tanana an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny fanatontosana ny fampihavanam-pirenena ary sy ny fanatanterahana hatramin’ny farany ny voalazan’ny tondrozotra rehetra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.