Ho an’ny sinoa dia taonan’ny rajako ity taona 2016 ity izay mifanandrify amin’ny tonom-bitan’ny olona teraka tamin’ny vanim-potoana voatondro ka fotoana ifamelana sy fandoavana trosa ary famintranam-pihavanana ny taom-baovao.
Tombanana ho 100 000 no isan’ny Sinoa monina eto Madagasikara amin’izao fotoana ary ny varotra sy ny fandraharahana no tena anton’asan’izy ireo.
Sina sy Madagasikara
Tamin’ny andron’ny fanjanahantany (1940) dia ny sehatry ny varotra sy ny fambolena tany amin’ny sisiny atsinanan’i Madagasikara manontolo no nahitana ny Sinoa. Nisy ny sekolin’ny Sinoa niorina tao Fianarantsoa ny taona 1949 sy ny tany Toamasina ny taona 1938. Mba ho fanapariahany ny kolontsainy miatrika ny fanatontolona dia nisokatra sy nampianatra ny teny Sinoa ho an’ny sarambabem-bahoaka ny sekoly Sinoa nanomboka ny taona 1987 ary ny taona 2008 dia nisokatra teny Ankatso ny ivom-pampianarana Conficius izay tena nahaliana ny tanora malagasy. Ny taona 2014 dia efa nihoatra ny 21 000 ny mpianatry ny Conficius. Manaraka ho azy izany anjara toerany eo anivon’ny fiarahamonina izany ny kolontsaina sinoa ka na dia mpiavy aza izy ireo eto Madagasikara dia tsy hadinony ny fankalazana ny fetin’ny lohataona izay kolontsaina tatsinanana. Na aiza na aiza misy azy ireo eto ambonin’ny tany dia mifanampy sy mifanohana hatrany ny Sinoa ary tena mitazona ny maha Sinoa azy na amin’ny fomba amam-panao io na ny fiteny.
Andry RatovoTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.