Nigadona tao Beit-Salam, Nosy Kaomoro ny folakandron’ny 14 oktobra 2019 ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny misolo toerana Ntsay Christian.
Fitsidihana ofisialy ara-pirahalahiana manamarika ny fifandraisana no anton’izao dia izao. Nihaona avy hatrany tamin’ny filoha kaomorianina, Azali Assoumani ity delegasiona ity, ka nifantoka tamin’ny fanamafisana orina ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fifanakalozana mikasika ireo paik’ady entina mampandroso an’i Kaomôro sy i Madagasikara ny dinika. Nambaran’ny praiminisitra fa efa 43 taona no nisian’ny fifanarahana ara-diplaomatika teo amin’ny firenena roa tonta ka voalohany izao no misy kaomity ahitana ny an-daniny sy ny an-kilany, izay handinika ny lafiny rehetra hahafahana mahita vahaolana amin’ny fampandrosoana miaraka an’i Madagasikara sy i Kaomaro, satria tsapa fa afaka mifameno, amin’ny alalan’ireo vina entin’ny filoha Andry Rajoelina sy Azali Assoumani, ny fivoaran’ireo firenena ireo. Azo lazaina, hoy ny praiminisitra, fa sahala ihany ny vahoaka malagasy sy ny kaomorianina satria mifanakaiky toerana, ary samy miandrandra dingana lehibe amin’ny fampandrosoana amin’ireo sehatra rehetra, indrindra fa eo amin’ny lafiny toekarena, varotra, fomba amam-panao, kolontsaina ary fanatanjahantena, ka tokony hiara-kikatsaka ny fivoarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.