Politique

Madagasikara Hanjakan’ny Mafia tanteraka


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Maromaro ihany ny lahatsoratra sy famakafakana efa natao nanambarana nanomboka tamin’ny 2009 fa ho zava-doza ho an’ny firenena ny fanonganam-panjakana.

 

 Nisy ny nino, teo ireo te hanantena fa tena hisy fiovana tokoa. Ny famaritana ny hoe fiovana sy fanovana angamba no samy hafa, fa raha ny tokony ho izy rehefa mandrodana dia miampita mankany amin’ny tsara kokoa noho ny niainana teo aloha. Efa ho fito taona aty aorian’ny 2009 anefa tsy hita izay fiainana tsara kokoa ho an’ny Malagasy eo, raha 70% no mahantra na sahirana amin’ny vola latsaky ny 2 dolara isan’andro tamin’ny 2007-2008 dia manakaiky ny 95% izany amin’izao fotoana ary Madagasikara no firenena tsy miady an-trano faran’izay mahantra indrindra manerantany. Fanapotehana sy fanenjehana ary fanagadrana no nisy nandritra ny tetezamita, nanomboka koa ny trafika sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Rehefa tonga ny repoblika faha-4, lasa filoham-pirenena i Hery Rajaonarimampianina dia naka toerana ny HVM, tsy hita ny fihatsarana vao miha aza niverina ny fampidirana ny politika amin’ny sehatra rehetra, fanjakan’ny fianakaviana sy ny akamakama no nijoro. Ary ny tena raharaha dia hita mitangorona manodidina ny filoham-pirenena ireo olona fantam-poko fanta-pirenena fa tompon’ny afera maizina. Ary ny tena loza aza dia mahoraka be fa tsy tompon’ny fanapahan-kevitra rehetra ny filoham-pirenena fa misy ny olona mibaiko azy. Betsaka ny kabary natao tato anatin’ny 2 taona sy tapany nahitana praiminisitra 3 nifandimby, saingy indrisy fa mitohy ihany ny trafikana boaderozy sy sokatra ary volamena, ifandrombahana ny famakiana kariera hitrandrahana vato sarobidy. Gaborarka ny fitrandrahana fa dia manao mody adala ny fitondrana foibe. Fanjakan’ny Mafia na tambajotran-jiolahy goavana no misy eto Madagasikara ary tsapa mihitsy fa malemy manoloana azy io ny fitondrana foibe.


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT