Ao anatin’izao sangodim-panina politika izao dia mba tsara ihany ny mamantatra ny tena herin’ireo mpanao politika izay mety hitantana ny firenena atsy aoriana kely atsy. Efa fantatra moa fa ny 8 mey 2013 no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.
Kandidan’ny lojika
Ny lojika aloha taorian’ny zava-nitranga tamin’ny 2009 dia tokony hiatrika ny fitsaran’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Ny voalohany dia indray mandeha ihany no niatrika fifidianana, tamin’ny 2007 ary dia voafidy ho Ben’ny tanàna teto an-drenivohitra izy tamin’ny isam-bato mazava. Ilay faharoa kosa dia in-telo no niatrika fifidianana dia tamin’ny 1999 ka nahavoafidy azy ho Ben’ny tanàna teto an-drenivohitra ihany koa, ary tamin’ny 2001 sy 2006 nahavoafidy azy ho filoham-pirenena. Raha resaka isa sy marika ary traikefa no jerena dia manana tombony i Marc Ravalomanana, izy rahateo efa azo atao hoe mahalala tsara an’i Madagasikara satria tsy latsaky ny in-dimy izy no nitety an’ity nosy ity. Manampy izay dia manana traikefa matanjaka amin’ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany ary havanana amin’ny sehatry fandraharahana koa. Mety ho tombony ho an’Atoa Ravalomanana koa ka mety hahazoany ny fon’ny vahoaka indray, noho ny antsojay nataon’ny fitondrana FAT azy nandritra ny telo taona sy ny tsy fahombiazan’ny fitondrana tetezamita ka nahatonga ny olona nilaza fa raha izao no fiainana dia aleo ihany ilay iraika lahy teo aloha.
Etsy ankilan’izay, azo ambara fa olom-baovao, mbola tanora i Andry Nirina Rajoelina, izy no afaka nandrodana ilay fitondrana noheverina fa mafy sy matanjaka. Na teo aza ny fanakianana sy paikady maro samihafa dia tafajanona ho filohan’ny tetezamita foana izy, ary manomboka efa manana traikefa amin’ny fitantanana firenena. Mitovitovy amin’ny nandalovan’i Marc Ravalomanana ny niainany sy nampisongadina azy teo amin’ny tontolo politika, izy rahateo moa mpandraharaha. Azo ambara fa maro ny mpilalao politika ao an-damosin-dRajoelina ka manohana azy sy manosika mafy azy ho filoha. Ny mampanahy ny olona amin’izy mianaka ireto anefa dia noho izy ireo mpandraharaha ka atahorana foana ny hampifangaroan’izy ireo ny raharaham-panjakana amin’ny orinasany. Hatreto koa dia samy manana firenena vahiny matanjaka manohana azy izy ireo, ary efa tsy miafina intsony ireo firenena vahiny ireo fa tena miseho mihitsy. Hafana ny propagandy eto raha samy kandida i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, ary azo antoka fa sombintsombim-bato no ho azon’ireo kandida hafa.
Sokajy faharoa
Na izany aza anefa dia misy ihany ny mpanao politika hita fa vonona ny ho filoha ary mieritreritra fa tsy Ravalomanana sy Rajoelina irery no mahavita azy eto. Farany teo izao dia mazava fa ho kandida i Monja Roindefo, zanak’i Toliara kandidan’ny Monima antoko noforonin’i Monja Jaona. Mpandrahara ihany koa i Monja Roindefo, ary milaza fa efa mahita mpiara-miasa maro any ivelany, indrindra fa avy any Azia mba ho avy eto amintsika hizara traikefa sy hampiroborobo ny asa sy ny toekarena eto. Efa kandida filoham-pirenena i Monja Roindefo tamin’ny 2006 saingy maivana dia maivana ny vato azony, ary Rtoa Elia Ravelomanantsoa aza dia nandresy azy lavitra be mihitsy. Anisan’ireo mpanao politika nasongadin’ny krizy, i Monja Roindefo ary milaza fa mpitari-tolona. Ireo mpandinika anefa dia mahita fa tsy ho lasa lavitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena izany i Monja Roindefo. Fa kandida heverina fa manana ny maha izy azy koa Atoa Pierrot Rajaonarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny am-perinasa, filohan’ny vovonana MDM, efa nitantana ny antoko Arema, avy praiminisitra lefitra tamin’ny fitondran-dRatsiraka ary efa masoivohontsika tany Etazonia an-taonany maro. Azo ambara fa mafonja ny traikefan’i Pierrot Rajaonarivelo raha politika sy diplaomasia no resahana.
Anisan’ireo mpanao politika sokajiana fa mety hahazo vato koa izy ary tamin’ny 2006 aza dia izy mihitsy no kandida noheverina fa handresy an’i Marc Ravalomanana saingy tsy afaka nandray anjara tamin’ny fifidianana moa izy. Maro koa anefa no mihevitra fa nanimba azy, ara-politika ny fiarahany tamin’i Andry Rajoelina ka nanekeny hiditra tao amin’ny fitondrana FAT. Fa kandida eritreretina fa lehibe ihany koa Atoa Tantely Andrianarivo, praiminisitra sady minisitry ny vola tamin’ny fitondran’i Didier Ratsiraka, izy no heverin’ny maro fa kandida hatolotry ny Arema, izy rahateo hita fa efa nitety faritra ary nanao karazana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana mihitsy. Anisan’ireo Malagasy manampahaizana mifandray amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena koa i Tantely Andrianarivo ka izay no mety tombony ho azy.
Fehiny
Tafiditra ao anatin’ireo mety ho kandida koa anefa ny olom-baovao tahaka ny PDS n’Antananarivo Edgar Razafindravaha, Atoa Fetison Rakoto Andrianirina izay lasa filoha nasionalin’ny antoko PSD noforonin’ny filoha Tsiranana, rehefa nisintaka avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ireo mpanao politika hafa koa anefa dia azo antoka fa mbola hanandrana ihany sao mba hiantefan’ny safidim-bahoaka tampoka. Ao ohatra ry Saraha Georget Rabeharisoa, Pety Rakotoniaina, Rajemison Rakotomaharo, Voninahitsy Jean Eugène, Pr Alain Tehindrazanarivelo, Patrick Raharimanana...
Ny fanaovana politika eto rahateo tsy mbola niova ka heverin’ny mpanao politika maro fa ny fahatongavana eo amin’ny fitondrana no fomba tsara indrindra hanangonan-karena. Maro anefa ny lesona efa tokony ho notsoahana tamin’ny tantara. Fifidianana hafa mihitsy no ilaina hatao manaraka eo mba hahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny marina fa tsy ho jamban’ny fanomezana sy fampanantenana fotsiny. Iaraha-mahalala fa ho sarotra ny fanarenana an’ity Madagasikara ity satria potika ny toekarena, ny fomba fisainana. Manjaka eto loatra ny vola sy ny halatra, koa olona sady hentitra no mahay miara-miasa amin’ny rehetra, afaka mifandray amin"ny sehatra iraisam-pirenena kanefa tena sahy mandon-databatra miaro ny tombontsoan’i Madagasikara no sady tena matahotra an’Andriamanitra sy mijoro amin’ny fahamarinana, no ho filoha manaraka eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.