Politique

Madagasikara Ahiana ho lasan’ny Sinoa


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Mivahiny eto Madagasikara nanomboka ny sabotsy 7 janoary 2017 lasa teo ny minisitry ny raharaham-bahiny Sinoa Wang Yi.

Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta efa nisy hatramin’ny taona 1972 izao fahatongavan’ny lehiben’ny fifandraisana iraisampirenena sinoa izao, hoy ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy Atallah Béatrice. Niroborobo be rahateo ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Chine entim-bahoaka hatramin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Ny firenena sinoa rahateo no nanampy betsaka ny fitondrana tetezamita rehefa tapaka tanteraka ireo tohana ara-bola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.

Orinasa Sinao 800

Mpiara-miombon’antoka ara-barotra voalohany amin’ny firenena Malagasy moa ankehitriny i Chine izay manana orinasa 800 mahery miorina miaraka amin’ny teratany sinoa 6 alina monina eto Madagasikara. Efa mahatratra hatrany amin’ny 740 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny sinoa manerana ny nosy ary ahitana azy ireo avokoa ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, fanamboarana fotodrafitrasa, ny fandraharahana, raha ny tarehimarika farany. Mitentina 1,1 miliara dolara kosa ny hadirin’ny fifanakalozana eo amin’i Madagasikara sy i Chine raha 746 tapitrisa dolara ny fifandraisana ara-barotra Malagasy sy frantsay ny taona 2015, hoy ny Tahirimbola iraisampirenena. Re fa mbola miliara dolara maro no kasain-dry zareo Sinoa ampiasaina eto Madagasikara amin’ny sehatr’asa maro. Tsara homarihana fa fiaraha-miasa tamin’ny Sinoa no nahafahan’izao fitondrana HVM izao nanao ny lalam-baovao nandraisana ny frankôfônia ary mbola misy ilay tetikasa goavana fanamboarana Autoroute Antananarivo – Toamasina nosoniavina niaraka tamin’ny Sinoa. Faritra maro eto Madagasikara ihany koa no ahitana Sinoa manao fitsirihana fa hoe hitrandraka harena ankibon’ny tany. Tena manam-bola ny Sinoa satria mahatratra 3 000 miliara dolara no tahiry ao amin’ny banky foiben-dry zareo ka tena maivana aminy aloha raha ny hoe hampiasa 2 miliara dolara eto Madagasikara fa na hovidiany ambongadiny aza ity firenena ity ho azony, indrindra fa raha tia tena sy tsy mijery lavitra ary tsy mahay mifampiraharaha ny mpitondra.


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT