Roso ny dia ka tsa mipody koa. Efa tongotra mby an-dakana ny filatsahan-kofidiana filoham-pirenena ho an-dRakotoarijaona Avoko ka tsy hihemotra eo anoloan’ny famendrofendroana isan-karazany atao aminy izy.
Efa niatrika vava-basy sy tafondro ny tenako sady efa nigadra noho ny fitiavan-tanindrazana koa ka tsy hanaiky holembenana, hoy izy tany Arivonimamo ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitsidika ny fonjan’Arivonimamo izay toerana nitazonana ireo mpanao kung fu niisa 36 mirahalahy nosamborin’ny FRS teny Ambatomainty ny tenany niaraka tamin’ireo mpikatroka ity taranja ity sy ireo mpikambana Madagasikara Afaka avy ao an-toerana izay miisa 1.200 taorian’ny hazakazaka nihodidina ny tanàna. Tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-33 taona nidiran’ny kung fu teto Madagasikara io hetsika io. Notsiahivin’ny Maitre Avoko nandritra ny fihaonambe tao Arivonimamo io ny fitiavan-tanindrazana nananan’ny mpanao kung fu izay nijoro niady tamin’ny tsy rariny sy niaro ny vahoaka tamin’izany fotoana.
Tsy nankasitrahan’ny mpitondra izany ka nataony hazalambo izy ireo. Tsy mbola miala amin’ilay foto-kevitra izy ireo ankehitriny, araka ny nambaran’ny filohan’ny MAF, porofon’izany ny finiavana handray andraikitra hanarina ny firenena ankehitriny.“Ampy izay ny andrankandrana amin’ny fitantanana ny firenena”, hoy izy. Mbola ny vahiny ihany no mitavana ny harem-pirenena fa tsy hita taratra ny fampandrosoana tamin’ny nampiharana ireo politikam-pampandrosoana isan-karazany niainga tamin’ny sosialisma ka hatramin’izao andron’ny “manara-penitra” izao araka ny heviny ihany. Nanentana ireo mpikambana MAF sy mpanao kung fu ny tenany hampianatra ny vahoaka handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny tsy fandriampahalemana izay mampijaly ny mpiarabelona any ambanivolo any.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.