Politique

Lycée Moderne Ampefiloha Nitokona ny mpampianatra


  • Zoma 13 Mey 2016

Tsy nisy tonga nampianatra omaly ireo mpampianatra rehetra etsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha.

 Omaly anefa no tokony ho niverina  nianatra ny mpianatra rehetra ao amin’ity lycée  ity taorian’ny nampodiana azy  ireo ny alatsinainy teo vokatry ny hain-trano nitranga tao an-toerana. Lasa nanatevin-daharana ireo mpampianatra namany  hafa nitokona  mantsy  ny mpampianatra izay mbola hiandry ny  fanapahan-kevitry ny rehetra mandritra ny fihaonana izay hotanterahin’izy ireo ny alarobia  ho avy izao. Nalefa nody indray, araka izany, ny  mpianatra ka babangoana  ny sekoly. Amin’ny  ankapobeny dia  tsy hijanona  ny hetsika raha tsy azon’izy ireo ny teboka dimy notakiany tamin’ny fitondram-panjakana toy ny fandoavana ny vacation, ny fanafoanana ny mpampianatra FRAM  hatramin’ny taona 2018 … Fanontaniana mipetraka ny hoe : hanao ahoana ny mety hoavin’ireo mpianatra malagasy izay tsy afa-mianatra nanomboka ny alatsinainy teo, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT