Nanjelanjelatra sy namirapiratra ny fampielezan-kevitr’i Andry Rajoelina na nialoha na ara-potoana. Toy izany koa tany amin’ny fifidianana, ny valiny, fanisam-bato hatramin’ny fianianana tetsy Mahamasina.
Mamirapiratra toy izany rahateo koa moa ny fampanantenana momba ny fandaharan’asany voarakitra ao anaty IEM. Nifanandrify amin’izay anefa nanomboka tamin’io datin’ny 19 janoary teny Mahamasina io ihany dia nihotsaka ny vato sy tany ary trano. Tondraka ny rano tany amin’ny faritany. Niakatra ny vato tany an-dranomasina. mipetraka hatramin’izao ny fanontaniana hoe inona no antony ? Ho an’ny siantifika momba ny resaka fanajariana ny tany dia ny tsy fanajana ny lamina ara-boajanahary no antony. Rehefa toerana tsy natao hipetrahana dia tsy tokony hatao an’izay. Ho an’ireo mpitondra fivavahana toy ny pasitera Mailhol kosa dia izao tontolo izao mihitsy amin’ity taona ity no handalovana loza marobe toy ny tondra-drano, fiaramanidina hianjera, vato mikodia sy ny maro hafa ary tsy afa-miala amin’izany ny Malagasy, hoy izy. Ho an’ireo mpandinika fomban-drazana kosa dia hasiaka ny zavaboary amin’ity taona ity saingy ny fanontaniana mipetraka moa dia hoe tezitra amin’ny mponin’i Madagasikara ve sa te handrisika azy hihary kokoa ? Mbola tsy vita ny adihevitra…
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.