Politique

Louis Zafisambatra Miantso ny filoha hampihatra ny politika ahitan’ny vahoaka ny rariny


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Malagasy mila ravinahitra any Paris Frantsa i Zafisambatra Louis sady mpandinika ny raharaham-pirenena.

 

 

 Nivoaka tamin’ny fahanginany izy taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena farany teo izay notsiahiviny fa  avy amin’ny tsindrin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ho fiarovan’izy ireo ny tombontsoany. Na izany aza anefa, hoy  ity mpandinika ny raharaham-pirenena ity dia tsy fotoana fanarahana am-bokony ny didiko fe lehibe intsony izao fa fitakiana ny fanatontoloana ara-toekarena mifototra amin’ny rariny sy ny hitsiny. Miantso ny filoha Rajoelina mba hampihatra ny politika ahitan’ny vahoaka Malagasy ny tena rariny i Zafisambatra Louis. Tafiditra ao ny fanafoanana tanteraka ny fanaovana tantely ara-drakotra ny firenena sy ny fivarotana  tanindrazana na mivantana na an-kolaka. Raisiko ho adidy masina hoy izy ny mampatsiahy ny teny voalaza ao amin’ny Soratra masina manao hoe : “Sambatra ny efa nandefitra, nasiako ny malemy mba hahamenatra ny mahery”. Raha mitohy ny fitiavan-tena hataon’ny mpitondra dia hanainga ny Kristianina, musulmane, judaisme i Zafisambatra Louis mba hanana fahasahiana hiaro ilay tenin’ny Tompo manao hoe: tsy tian’Andriamanitra ny mpanjaka nanao hafetsen-dratsy tamin’ny firenena. Ho an’ireo fotodrafitrasa natsangana toy ny hopitaly manara-penitra moa dia miantso ny mpitondra mba hitsinjo ny vahoaka  sahirana izy ireo fa tsy handoa faktiora midangana izay naman’ny fandroahana ihany.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT