Politique

Louis Michel Manohana ny “conférence au sommet”


  • Talata 24 Janoary 2012

Maneho ny tsy fahavononana ara-politika hisiana tetezamita iaraha-mitantana, tsy mitanila iny fihetsiky ny governemanta FAT iny, hoy i Louis Michel, filoha mpiara-mitantana ny Assemblée Parlementaire ACP-Vondrona Eoropeanina.

 Anisan’ny voasoratra ao anatin’ny sori-dalana, hoy ihany i Louis Michel ny fiverenan’ireo sesitany politika tsy an-kanavaka tsy misy fepetra, ao anatin’izany ny filoha Ravalomanana mba hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Ankoatra izay dia voasoratra koa ny famoahana ireo gadra politika, ny fanajanonana ny fampiasana ny fitsarana, ny mpitandro ny filaminana ho fitaovana politika. Tsy nahafa-po anefa ny fampiharana ilay sori-dalana, raha ny vaovao. Manoloana izany indrindra dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Louis Michel hanohana ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy efatra miaraka amin’ireo mpitarika antoko politika lehibe hafa. Ireo ihany, hoy ity filohan’ny Parlemanta Eoropeanina ity no afaka hametraka ny fitoniana politika, hisiana fiaraha-mitantana sy ho fampiharana ny sori-dalana.
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT