Voafatotry ny fisamatsamahana ara-politika tanteraka ny firenena amin’izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraikany ratsy.
Ny zavatra efa nampoizina hatramin’ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian’ny fifidianana filoham-pirenena no miseho ankehitriny. Ny zava-mitranga dia mailaka ny fanenjehana mpanao politika hafa izay tsy anatin`ny fitondrana. Hazakazaka ny fisamborana ka endrika hafahafa no hitan`ny olona amin`ny fitondrana. Sanatria ve lonilony amin`ny antoko HVM izay tsy nanaraka ny sitrapon`ny antoko TGV tamin` ny fanendrena ny anaran`ny praiminisitra tamin`ny taona 2014, izay voarakitra ao anatin` ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. 54 no antony ? Ilay vinavinan’ny mpanara-baovao hoe"valifaty" izao no miseho. Tsy misintona ny sain’ny vahoaka loatra anefa izany ankehitriny satria raharahan’ny samy mpanambola, hoy ny firesaky ny olon-tsotra. Ny hany tsikaritra amin’izao filomanosan’ny raharaha ao anatin’ny politika izao dia ny fikatsoan’ny raharaha sosialy. Novana noho ny hambom-po ny rafitra rehetra tokony ho notohizana ka tonga amin’ny vinavinan’ny mpanara-baovao hoe "ho sasatry ny miarina..." Tsy mampandroso tokoa ny lonilony politika !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.