Politique

Loholona TIM Miandry fanapahan-kevitra hendry avy amin’ny HCC


  • Alatsinainy 22 Febroary 2016

Manakatom-baravarana tanteraka ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara eny anivon’ny Antenimierandoholona. Manaporofo izany ny fitsipika anatiny mametra ho loholona 5 vao afaka manangana vondrona parlemantera.

  Iaraha-mahalala anefa fa nahatafiditra olona ao anatin’io andrimpanjakana faharoa eto Madagasikara io ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny vondron’antoko sy fikambanana Mapar, hoy ny loholona Ramalason Olga. Azo ambara fa hanjaka irery eny amin’ny Lapan’Anosikely ny hevitra bontolo avy amin’ny HVM. Tsy isalasalana fa hiompana manontolo amin’ny fanehoan-kevitra tokana avy amin’ireo mpiara-dia sy mpanohana ny filohan’ny Repoblika ireo tolo-dalàna hivoaka sy holanian’ireo loholon’i Madagasikara. Tsy hitondra fitoniana politika eto amin’ny firenena anefa io fihetsiky ny antokon’ny fitondrana ankehitriny io. Toa manosika ireo antoko hafa manana ny tanjany toy ny TIM handray ny toeran’ny mpanohitra mantsy ny tsy fisokafan’ny fiaraha-miasa izay hita hatrany teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza. Antenaina anefa fa handray fanapahan-kevitra hendry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mikasika ny fitsipika anatiny hifehy ny Antenimierandoholona, araka ny fanamarihan’ity senatera TIM lany teto Antananarivo ity.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT