Araka ny efa nanampoizana azy dia tsy nisy niova ny vokatry ny fifidianana loholona fa nandresy amin’ny isa mavesatra ny antoko Hvm. Nahazo seza 36 amin’ireo 42 nifaninana ny antokon’ny filoham-pirenena.
Na teo aza ny fitarainana talohan’ny fifidianana sy ny fanakianana sy fangatahana fanafoanana ny fifidianana noho ny lesoka maro samihafa tsikaritry ny antoko sasany nandray anjara dia am-bohoko izany, hoy rasokaka fa ny nataon’ny Ceni ihany no nataony. Marina fa mbola vokatra tsy ofisialy no navoakany. Fa iza moa no fitsarana hahasahy hanova ireny intsony na dia hisy basy hiatrana aza eo ? Samy mbola te hamelona ny ankohonany koa na ny mpitsara aza. Ny mahavariana dia ny fanantenan’ny Filoham-pirenena fa hanana fahamarinan-toerana amin’izay ny poilitikany. Satria efa manana ny maro an’isa ao amin’ny antenimierandoholona ny tenany ? Mety ho marina ny eritreriny raha toa ka tena ny hetahetam-bahoaka nosoloin’ireo mpifidy lehibe tena marina io mivoaka amin’ny alalan’ny voka-pifidianana io. Dia ho hita eo izany fahamarinan-toerana noho ny fananana loholona maro izany. Kely ihany mantsy ny finoana fa handry fahalemana ny ambanilanitra raha mbola ny hanina no tsy misy na ny ankizy tsy miditra an-tsekoly na ny fitsaboana tsizarizary na dia ho 100 % manga kravaty avokoa aza no hameno ny lapa maitso.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.