Nanao fanambarana fanindroany tamin’ny alalan’ny « youtube » ny loholona Lylison de Rolland Urbain,
omaly, nilazany ny heviny manoloana ny zava-nitranga tamin’ny 26 jona teo Mahamasina, sy niombonany alahelo amin’ireo niharam-boina.
Nambarany fa raha ny mpanohitra no nanao iny fanapoahana iny, dia nataony mialoha ny 25 jona izany mba tsy ho tontosa ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona. Raha ny mpanohitra koa no nanao azy, hoy ihany ny filazany dia « napoakany teny amin’ny « tribune » izany ary nikendrena ireo manampahefana”.
Nahitsy ny tenin’ny Loholona Lylison tao amin’ny tambajotran-tserasera, « youtube », omaly fa nisy olon’ny prezidansa, araky ny “renseignements” azony, nanao fanandramana teo amin’ny Antenimierandoholona ny sabotsy 25 jona. Nisy fipoahana grenady teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiarakodian’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity, ny marainan’io andro io.
Nohitsin’ny Loholona Lylison fa tena nanao ny asany ny mpitandro filaminana tamin’ny fisavana teo am-pidirana ny kianja, fa misy mpitandro ny filaminana miray tsikombakomba na ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika no tompon’antoka tamin’iny teny Mahamasina iny fa ireo no afaka mivezivezy tsy voasava teny, hoy izy. Koa aminy dia “fanasoketana ny mpanohitra no betsaka». Nambarany fa « mpiaro vahoaka » izy fa “tsy mpamono” vahoaka.
Nasiany resaka ihany koa ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana sy ny serasera mahabe adihevitra amin’izao, ka nilazan’ny Loholona Lylison fa ataon’ny mpitondra hanakonana ny vola ana miliara noraisiny amin’ny fivarotana tanindrazana ny fandaniana azy io.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.