Politique

Loholona 21 vaovao Hanompo HVM fotsiny !


  • Talata 02 Febroary 2016

Voatendry omaly hariva ireo loholona 21 mianadahy anjaran’ny filoham-pirenena, araka ny fahefana nomen’ny lalàmpanorenana azy. Vehivavy ny 6 ary lehilahy ny 15.

 

 Mbola tazana ao anatin’ny lisitra ireo efa azo ambara ho dinôzôron’ny seza sy ny fanaovana politika eto amintsika tahaka an-dry Honoré Rakotomanana, efa filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, Betina Bruno efa avy minisitry ny angovo sy loholona, Rajaonarivelo Pierrot filohan’ny antoko MDM efa kandida filoham-pirenena, minisitry ny raharaham-bahiny tamin’ny tetezamita ary efa praiminisitra lefitra nisahana ny tetibola, Olivier Rakotovazaha (MFM) efa minisitry ny fitaterana. Minisitra roa anatin’ny governemanta Ravelonarivo no lasa loholona dia Rtoa Brigitte Rasamoelina izay nisahana ny kolontsaina sy Ahmad tao amin’ny jono. Tsy dia nahagaga firy raha nafindra toerana izy mianadahy ireto satria nitantana ireo minisitera anisan’ny tsy nahitam-bokany mahafa-po firy tao anaty governemanta. Voatendry ho loholona ihany koa Rtoa Razafimahaleo Lantosoa Julia, vady navelan’itompokolahy Herizo Razafimahaleo sy Atoa Rakotozafy Martin filohan’ny fikambanan’ireo mpivarotra sy mpaninjara solika eto Madagasikara…Avy amin’ny antoko politika, ny sehatry ny toekarena sy kolontsaina ary ny sosialy izy 21 mianadahy ireto, ary amin’ny ankapobeny dia olona mitovy na mifanakaiky fomba fijery amin’ny filoham-pirenena sy ny antoko HVM ihany. Mbola hanamafy hatrany ny tanjaky ny HVM eny amin’ny lapan’Anosikely izany ny fanendrena ireto loholona 21 ireto. Tsy tafiditra tao anaty lisitra kosa ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao fa nomena “mission” manokana hanomana sy hikarakara ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia. Tsy hita tabilao ny vondrona politika hafa tahaka ny TIM sy ny Mapar ary ny MMM fa dia miloko manga izany ny etsy Anosikely.Hivory voalohany anio talata ny antenimieran-doholona ka hifidy ny birao maharitra.


 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT