Politique

Lohandohan’ny mpisorona HVM Maro no hahita raharaha


  • Talata 26 Febroary 2019

Mbola Rajaonah, Claudine Razaimamonjy, Hugue Ratsiferana, Anthelme Ramparany, Henri Rabary Njaka, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, Jaobarison Randrianarivony,

 

 

 

 

 

 Beboarimisa Ralava, Ulrich Andriantiana, Jaona Randriarimalala, tompon’andraikitra ambony sy minisitra teo aloha,… ireo no isan’ny voatonontonona fa hataon’ny fanjakana Rajoelina fahirano hoenti-mampiseho fa miady amin’ny kolikoly sy mampanjaka ny tany tan-dalàna. Izay tsy madio na nanao zavatra hafahafa azo kitihina hanenjehana azy dia hahazo fampiantsoana hatao fanadihadiana ary mety hiafara amin’ny fiazonana vonjimaika any m-ponja mihitsy, toy ny nahazo an’i Mbola Rajaonah, izay miandry fitsarana. I Hugue Ratsiferana moa dia voaheloka higadra 18 volana sy onitra. Rtoa Claudine Razaimamonjy, dia manomboka fohazina ny dosie sasany, ary nafindra natao andrimaso etsy Antanimora. Atoa Rolly Mercia dia anisan’ireo nolazaina fa nanohintohina ny fiandrianam-pirenena tamin’ny tolon’ny fahamarinana ireny. Toa misy ny efa lasa any ivelany. Mbola mety misy hafa efa tena mandeha ny fanadihadiana ifotony. Notadiavina tao an-tranony ny faran’ny herinandro teo ny minisitry ny angovo teo aloha Henri Rabary Njaka. Eo aloha ny fanapahan-kevitra mety tsy nifanaraka amin’ny lalàna sy ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny fitondrana teo aloha, fa eo koa ny fikirakirana vola be. Nisy mantsy ireo mampanahy satria lasa mpanankarena tampoka rehefa minisitra na koa lasa depiote. Voatonontonona amina raharaha fanondranana andramena ny sasany, ary misy ny efa niantsampy haingana tany amin’ny MAPAR tamin’ny fifidianana filoha ka ho afa-maina ve ? Na voizina aza ny mety ho fampanjakana ny tany tan-dalàna, dia tsapa sy tsikaritra ho mifono valifaty politika ihany manampy izany. Maro ny vahiny mpanao afera be sy kolikoly eto, fa tsy mbola nandrenesana fanenjehana satria mety mahatolotolotra ny mpitondra. Ny samy Malagasy ihany no mifamotika eto. Tsy miteny velively hoe avelao hanjaka ny tsy maty manota,  fa kosa tokony ho eo ambany fifehezan’ny lalàna ny rehetra fa tsy asiana tombo sy hala.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT