Nambara fa mialoha ny faran’ny taona 2019 no ho tonga ny lohamasinina roa ho an’ny zotra FCE.
Ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mpitondra tenin’ny governemanta indray dia nilaza ny 10 janoary teo fa ny 17 febroary 2020 no ho tonga, saingy efa dila roa andro izany ankehitriny. Mihemotra indray ny fahatongavana mazava ho azy. Ny volana septambra 2019 no nandeha tany Espagne ny Talen'ny FCE sy Teknisiana iray hijery ireo lohamasinina, araka ny fanambin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nandritra ny diany tany Soschi Rosia ihany koa ny septambra 2019, dia nijery lohamasinina. Raha ny daty farany voalaza dia tokony hiala any Espagne ny 15 janoary 2020 izao ireo fa noho ny lafiny teknika tsy maintsy asiana fanamboarana satria tsy mifanaraka amin’ny wagon antsika sy ny “voiture” ny “système de freinage”, hoy ny fanazavana ara-teknika. Raha Alsthom moa no resahina dia GECo Americaine ilay izy izay mbola antitra noho ny Alsthom, izay manahirana ny fampifanarahana azy amin’ny eto (adaptation), hoy hatrany ny fanazavana efa nandeha. Efa 45 taona niasana eo ireo raha ny fanazavana efa nentin’ny fampahalalam-baovao vahiny iray. Efa nisy ihany ny fanazavana hita, izay tsy ofisialy efa tany amin’ny janoary fa tsy misy sambo koa raha tsy ny 15 febroary 2020. Raha tombanana izany dia ny 17 martsa 2020 no ho tonga ao Toamasina ny lohamasinina, ka andrasana indray. Roa herinandro aorian'io dia hisy ny fiofanana homena ny teknisiana hampiasa azy any Toamasina. Ny faran'ny volana martsa 2020 vao ho tonga eto Antananarivo ny lohamasinina, ary mety mbola holokoina volon-doranjy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.