Politique

Livasoa Randriatahiana - Betafo “Lainga foronina ireo fiampangana ahy.”


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Nizara vola tao anaty fifidianana, nanao fandrahonana, nanao fihantsiana sy fanaratsiana maro toy izany no noforonin’ireo mpitory ny tenako hiapangana ahy, hoy ny kandida natolotry ny antoko politika Tia Tanindrazana,

 

 tao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Betafo, Livasoa Randriatahiana, raha nanazava ny antony nampanantsoina azy teny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana teny Anosy ny sabotsy teo. Mangataka fanalana an-daharana ny tenako, noho izany, ny kandidan’ny IRK nifaninana tamiko, izay laharana faharoa amin’ny vokatra vonjimaikan’ny CENI. Matoky ny fitsarana miady amin’ny fanjakana ny tenako ary misaotra ireo vahoakan’ I Betafo nitondra am-bavaka. Nanafatra ny vahoakan’I Betafo moa ity kandida ity mba tsy hirohirohy saina ary nanome toky fa hijoro amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany. Misy ny sasany tsy mahazaka resy ka izy no tena manao fihantsiana, hoy hatrany ity kandida ity, ary milaza fa mahabaiko tribonaly ka tsy maintsy kandidam-panjakana no lany. Tsy manana olana amin’ny fitondrana aho ary hampahatsiahiviko fa antony 2 ihany no tokony hanalana an-daharana kandida iray dia ny hoe manam-pahefana izy saingy tsy nametra-pialana nefa kandida. Faharoa dia ny hoe nanevateva fitsarana sy CENI ary tafiditra amin’izany ny fampiasana fitaovam-panjakana. Matoky ny faleovantenan’ny fitsarana aho ary hamafisiko fa lainga foronina ireo fiampangana ahy. Na ireo mpijoro vavolombelona nentin’ny mpitory aza dia nalaina am-pitaka ny sonia sy kara-panondrony, hoy hatrany ny kandida Livasoa Randriantahiana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT