Hanomboka amin’io herinandro mitsidika io, ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manerana ny nosy.
Samy manana ny vina sy ny fandreseny lahatra an’ireo olona hifidy azy ny kandidà rehetra na miankina na miara-dia amin’ny fitondrana. Hafotaka io propangady ion oho izy manakaiky ny vahoaka. Tsy afaka ny hanao na inona na inona ny eny anivon’ny fokontanysatria tsy mbola tonga eny ny lisi-pifidianana hatramin’ny anio. Raha ny tokony ho izy, iray volana mialoha ny fampielezan-kevitra no azo jerena ny anaran’ireo mpifidy, mba ialana amin’ny fimenomenomana. Matoa taraiky dia misy antony ao (ndlr : olana teknika na zavatra hafa mihitsy). Ny eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana io lisi-pifidianana io. Marihana, hoy ny sefo fokontany, fa tsy misy fiovany io lisitra io, fa efa nohatsaraina sy nohavaozina. Andrasana noho izay ny fahatongavan’ny lisitra eny anivon’ny fokontany, hoy hatrany ny fanazavana voaray tamin’ireo sefo fokontany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.