Politique

Lisi-pifidianana Niakatra 4,81% hatreto ireo nisoratra anarana


  • Zoma 12 Janoary 2018

Niakatra 4,81% hatreto ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy nisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, raha ny tarehimarika navoakan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI nandritry ny dinik’asa notontosaina tetsy amin’ny ENAM Androhibe omaly.

 

 Ho an’Antananarivo manokana dia miisa 718.656 ireo mpifidy voasoratra anarana hatreto. Mbola manana 19 andro moa ireo olom-pirenena afaka mifidy hisoratany anarana ao anaty lisitra, raha ny fanazavana, ary nentanin’ny CENI ihany koa ireo efa ao anaty lisitra mba hanamarina tsara ny anarany sy ny mombamomba azy ndrao misy tsy fahatomombanana. Tanjona hapetraka hatrany, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana ny hahafeno 10 tapitrisa isa ireo mpifidy handray anjara amin’ny fifidianana izay hotontosaina eo anelanelan’ny 25 novambra sy 25 desambra amin’ity taona ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT