Politique

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Nifarana ny zoma 15 febroary lasa teo ny fandraketana ny anarana anatin`ny lisi-pifidianana ary hatao ny sonia hamaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana eny anivon`ny rantsamangaikan`ny CENI amin`ny distrika (CED), ny 28 febroary ho avy izao.

 

 

 Araka ny tarehimarika navoakan`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), 0,83% no taham-piakaran`ny voasoratra anarana vonjimaika manerana ny nosy kanefa antenaina mbola hiakatra izany rehefa tafakatra avokoa ireo kahie misy ny anaran`ny olona tokony hampidirina na hoesorina ao anatin`ny lisi-pifidianana avy any amin`ny fokontany tsirairay avy, hoy ny CENI. Nahitana kosa anarana in-droa miverina sy anarana ireo nodimandry maherin`ny 200 000 isa manerana ny nosy. Manomboka amin`ny 1 martsa no hahatongavan`ny lisi-pifidianana avy amin`ny fokontany ka manana 20 andro ny mpifidy hahazoany manamarina farany ny anarany ao anatin`ny lisi-pifidianana. Rehefa vita ny fanamarinana dia hatao amin`izay ny fanitsiana sy fampidirana ireo tsy voasoratra ka hofaranana tanteraka ny lisi-pifidianana ny 15 mey 2019.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT