Mahatalanjona ity lisi-pifidianana hiandrasana manampahaizana avy any ivelany afaka volana vitsivitsy ity, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar).
Tokony hanao fifanarahana ny kandidà rehetra fa hanaiky ny voka-pifidianana ao anatin’ny fanajana ny Lalàm-pifidianana vaovao, raha tena manana tanjona amin’ny fifandimbiasam-pahefana tsy misy korontana sy valifaty politika tokoa. Tsy sasatra ny milaza ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar) fa tokony hofidian’ny fokonolona ny filoham-pokontany sy ny lefiny ary ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera valo handrafitra ny Antenimieram-pokonolona. Raha ny eo anivon’ny Vaomieran’ny fanisam-bahoaka sy mponina ary ny fanomanana ny fifidianana, dia mahazo fiofanana avy amin’ny minisiteran’ny Atitany. Mitovy ny “logiciel” hampiasaina manerana an’i Madagasikara. Fantatra mialoha ny isan’ny mpifidy isaky ny dimy taona satria izay olom-pirenena feno taona ka mahazo kara-panondrom-pirenena dia tafiditra avy hatrany ao anatin’ny lisi-pifidianana isam-pokontany ary voasoratra anarana amin’ny Ivontoeram-piofanana eo anivon’ny Distrika amin’ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika (revolisiona maitso sy revolisiona ekolojika). Tsy mila famatsiam-bola an-tapitrisany dolara avy any amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsy olana ny mametraka ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny fampitaovana solosaina isam-pokontany, raha tsara tantana ny firenena. Io rafitra vaovao io ilay antsoina hoe: ”e-gouvernance”. Lasa kara-panondrom-pirenena biometrika no entina mifidy hasolo ny “kara-pifidianana”, miteraka olana hatrany. Tena mangarahara ve ny lisi-pifidianana, izay nitombo 2 tapitrisa mitaha ny tamin’ny 2013 ? Nahatratra 7 971 750 ny tamin’ny fifidianana filoha fihodinana faharoa, kanefa hatrany amin’ny 10 tapitrisa ny isan’ny mpifidy amin’izao. Ekena fa mitombo ny ampy taona afaka mifidy, saingy misy koa ny maty. Misy ny mpandinika sy ny olom-pirenena milaza fa misy lisitra matotoa manodidina ny 2 tapitrisa tonga hipetaka any amin’ny vaton’ny kandida iray ny vatony rehefa tena raikitra ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.