Politique

Lisi-pifidianana Manentana hatrany ireo sefom-pokontany


  • Talata 05 Martsa 2019

Taorian`ny fikatonan’ny lisi-pifidianana vonjimaika teny anivon`ny CENI dia efa tafaverina eny amin`ny fokontany ireo lisi-pifidianana.

 

 

Misy ny fanentanana ataon`ny sefom-pokontany handehanan`ny vahoaka hanara-maso sy hijery izay anarana izay ao anaty lisi-pifidianana. Efa eo anivon`ny fokontany izy ireny amin`izao rehefa nahavita ny asany nampiditra ny anarana rehetra avy teo anivon`ny fokontany ny 01 desambra 2018 hatramin` ny 15 febroary 2019 teo ny CENI Madagascar. Fotoana tokana hanamarinana sy hanaovana fanitsiana ny anarana ao anaty lisi-pifidianana izao ka hanentanana ny rehetra hanatona ny fokontany. Ny 28 febroary lasa teo ka hatramin`ny 20 martsa ho avy izao no mijanona eny anivon`ny fokontany ny lisi-pifidianana ka hiverina indray eny anivon`ny CENI mba hanomanany ny lisi-pifidianana tena izy amin`ny 15 mey 2019. Marihina fa izay rehetra feno taona ka voasoratra anarana ao anatin`ny lisitra ihany no afaka handray anjara amin`ny fandatsaham-bato manaraka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT