Politique

Lisi-pifidianana Hiasa mafy ny eny amin’ny MAGRO


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Ahitsiko tsara, hoy i Marc Ravlomanana omaly, fa tsy izay zavatra soratana eny amin’ny gazety no marina, fa ny zavatra mivoaka ny vavan’ny olona sy ny fandraisany andraikitra.

 

Tsy tonga hanakorontana akory isika fa tonga hiezaka hiala amin’izany korontana izany alohan’ny fifidianana, ka ny zavatra noresahiko hoe izahay ato amin’ny TIM dia mba te hanara-maso ny lisi-pifidianana. Ireo sampana rehetra ato amin’ny TIM sy ireo mpanohana, ary any moa izao efa misy ilay KMMR 2018 izay dia ireo nilaza hoe aleo izahay mba hiantso ilay olona namanay ho eto amin’ny toerana eto amin’ny Magro dia eo izany hisy “box” na efitra kely manokana fakan-kevitra sy fizaram-baovao. hoy i Marc Ravalomanana. Tsy hisy hidina an-dalambe izany, izao ve mbola hidina an-dalambe indray, zavatra hafa indray izay rehefa izay, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy marina ilay teny hoe hamerina ny 2002 indray, fanentanana ny olona ho tompon’andraikitra amin’ny fanamarinana ny anarany ao anaty lisi-pifidianana no tanjona. Nanomboka tamin’ny 01 desambra teo hatramin’ny 31 janoary 2018 mantsy no fe-potoana farany hisoratana anarana anaty lisi-pifidianana ho an’ireo izay voadingana na latsaka. Nanapa-kevitra noho izany, ho fanampiana ny olom-pirenena ireo depiote TIM sy ireo mpitarika TIM, fa asiana toerana ao amin’ny Magro izay hahafahan’ny olona isaky ny fokontany sy ny Boriborintany maka hevitra sy manontany izay tokony hatao raha tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana izy. Fampianarana, torolalana sy torohevitra no atao ao fa tsy fitaomana ny olona hidina an-dalambe izany mihitsy, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Nomarihany fa zava-dehibe ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ary tokony ho saro-piaro amin’io ny olom-pirenena rehetra. Ankoatr’izay, aleo mba misy fifanakalozan-kevitra hiarahan’ny besinimaro mijery, izay vao mba halefa any amin’ny depiote sy ny senatera  ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana fa tsy atao amboletra fotsiny, hoy ity filoha teo aloha ity.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT