Politique

Lisi-pifidianana Ezahana ho mangarahara, hoy ny CENI


  • Alakamisy 17 Aogositra 2017

Efa eny anivon’ireo biraom-pokontany manerana ny nosy avokoa amin’izao fotoana ny lisi-pifidianana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI, omaly, tetsy amin’ny foibeny Alarobia.

Anjaran’ireo mpifidy, manomboka izao no manamarina ny anarany ao. Efa tontosa ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpikambana ao anatin’ny vaomiera manerana ny faritra ary ao anatin’ny fanamafisana ny fanofanana ireo mpiara-miombon’antoka kosa ny CENI amin’izao fotoana. Efa tontosa koa ny andraikitry ny CENI mikasika ny fanolorana in-droa miantaona ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Amin’ny volana oktobra moa, raha ny fandaharana voalaza, dia hisy manampahaizana iraisam-pirenena hanao fitsirihana mikasika ny anarana anaty lisitra saingy efa manao fitsirihana anatiny kosa ny CENI amin’izao fotoana.Nahitana olana foana ny resaka lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana notanterahana teto Madagasikara, ary tena niteraka fifamaliana sy lonilony rehefa tonga tokoa ny fandatsaham-bato.Na dia nisy tokoa aza mantsy ny fanisam-bahoaka natao, dia mahagaga fa olona iray trano izao kanefa misy tafiditra ary misy tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana.Nisy io tranga io hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena farany tamin’ny 2013.Efa nisy ny fanangonan-kevitra nataon’ny CENI, maro ny fanakianana izay tokony efa nahafahana naka lesona tsara.Ny olon’ny CENI rahateo efa mitety firenena maro manara-maso ny fizotry ny fifidianana koa andrasan’ny rehetra ny momba io lisi-pifidianana ambara fa manara-penitra sy mangaraharaha io, hoe tena marina ve sa resa-be fotsiny ihany.Atoa Hery Rakotomanana filohan’ny CENI ankehitriny tokoa mantsy no nitantana ny CENIT tamin’ny 2010 ka nanao ilay fifidianana lalampanorenana nampiasana karniem-pokontany niteraka resabe teto.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT