Nanao fanamarinana ny lisitr’ireo mpifidy ao amin’ny fokontany FMAA (Faravohitra-Mandrosoa-Ambatonakanga-Antsapanimahazo) ao amin’ny boriborintany voalohany ny tompon’andraikitra iray ao an-toerana tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly.
Nahita fanamarihana izy ireo rehefa naverin’ny Ceni ny lisi-pifidianana amin’ny biraom-pifidianana roa misy mpifidy 2355 misy ao aminy. Nisy ireo olona efa niala tao amin’ny fokontany sy ireo olona maty niisa 507 tsy nisy nokitihana fa mbola tao ihany ny anaran’ireo olona rehetra ireo. Nisy aza ny anarana latsaka niisa 21 ary nisy koa ny anaran’olona niisa 41 tsy voarakitra ao anatin’io lisi-pifidianana io ny laharana kara-panondrom-pireneny. Raha nampitahaina dia lasa 2352 ny isan’ny mpifidy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana nasiam-panitsiana naverin’ny Ceni. Midika tsy fahamatorana eo amin’ny fikarakiran’ny Ceni an’ity lisi-pifidianana ity ny zava-misy ao amin’ny fokontany FMAA. Mampanahy, araka izany ny hisian’ny mangarahara amin’ny fifidianana ho avy rehetra, hoy ity tompon’andraikitra ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.