Politique

Lisi-pifidianana Eo am-panadiovana ireo anarana miverimberina ny CENI


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Eo am-panadiovana ireo anarana miverimberina na “dedoublonnage” ny CENI amin`izao fotoana ary mijery raha misy olona efa maty nefa mbola voasoratra ihany.

Ny andininy faha-26 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 no mamaritra ny fe-potoana hanatanterahana ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Ny CLRE kosa no manao ny ``Addition et retranchement`` ao amin`ny Centre Informatique du District. Haverina any amin`ny distrika izany avy eo mba hofaranana vonjimaika. Haverina any amin`ny fokontany indray ny 25 febroary ka manana 20 andro ny olom-pirenena manamarina ny anarany anaty ny lisi-pifidianana na koa mijery raha misy olona efa maty nefa mbola voasoratra ihany. Hametrahan`ny CENI kahie hanoratana ny fitarainana na fanitsiana avy amin`ny mpifidy ny eny anivon`ny fokontany. Aorian`izay ny hamerenana azy any amin`ny CENI foibe mialoha ny 15 martsa izao mba hamaranana ny lisi-pifidianana tanteraka amin`ny 15 aprily. Mandroso hatrany ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI amin'ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana izay entina hikarakarana ny fifidianana ho avy eto amin'ny firenena. Mba ahafahan’ny rehetra mahazo voka-pifidianana eken`ny besinimaro dia mila fanaraha-maso akaiky amin`ny fanatanterhana ny lisi-pifidianana. Hatrizay ny hala-bato dia niseho tamin`ny fanatevenana ireo vato halatsaka mialoha ny fotoana. Izao indray dia maro no manahy fa anaty lisi-pifidianana no hanaovana izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT