9 767 098 ny isan`ny mpifidy voarakitra ao anatin`ny lisi-pififidianana manerana ny distrika 119 raha ny tarehimarika azo teo anivon`ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ka miisa 217 103 no niveimberina nandritra ny fanadiovana ny lisitr`ireo mpifidy.
Hiverina eo anivon`ny fokontany tsirairay amin’izay ny lisitra hanamarinana fanindroany ny isan’ny mpifidy ary ao anatin’ny fe-potoana roapolo andro manomboka amin’ny vaninandro hanaovana ny peta-drindrina dia mahazo maneho ny fitarainany, ny olom-pirenena rehetra tsy voasoratra. Raha mipetraka ny fitarainany ny olom-pirenena iray dia manana fito andro ny mpikambana ao amin’ny vaomiera ifotony mpanisa mpifidy na ny C.L.R.E, hanomezana ny valin-teny raha afaka misoratra na tsia ao anaty ny lisi-pifidianana ka marihana ao anatin`ny ``cahier de contestation`` ìzany. Nisedra olana kosa ny tany amin`ny faritra noho ny fahatarana teo amin`ny fahasarotana samihafa iainan'ireo rantsamangaikan'ny CENI manoloana ny fanapariahana ireo lisi-pifidianana isam-pokontany. Manana zo feno ny rehetra hanakiana ity lisi-pifidianana ity koa manentana an`ireo izay mandray anjara feno amin’ny fanaraha-maso ny fikirakirana ny lisitra sy ny famaranana ny lisi-pifidianana, miaraka ireo filohan’antoko politika mba hanamarina ny lisi-pifidianana ny eo anivon`ny CENI. Marihana fa ireo olom-pirenena feno 18 taona tamin`ny 31 janoary 2018 no miakatra ihany no afaka misoratra anarana ao anatin`ny lisi-pifidianana ary voalazan`ny lalàna.
|
Ho tanterahina eto Madagsikara ny fihaonam-ben`ny RECEF na ny Reseau des competences electorales des pays francophones ny 20,21, 22 Martsa ho avy izao ary nahazo famantsiam-bola avy amin`ny OIF ny CENI Madagascar mba hanatontosàna izany |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.