Politique

Lezava Fleury “Tsy misy fanjakana eto !”


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Ho an’ny antoko Harena dia tsy mbola misy mihitsy ny fitoniana eto amintsika na dia efa ao anatin’ny volonandro fety aza.

 Anamarinany ny fijeriny ny disadisa eo amin’ny mpitsara sy ny polisy izay toa mihamihenjana hatrany. Manontany tena mihitsy i Lezava Fleury, filohan’ity antoko ity raha misy fanjakana tan-dalàna ihany eto. “Azo lazaina mihitsy aza fa tena tsy misy fanjakana eto amintsika”, hoy i Lezava Fleury. Nambarany fa tokony ho avy any ifotony no hamahana ireo olana mianjady amin’ny Malagasy ankehitriny mba hisian’ny filaminana.

Ankoatra izay dia mihevitra koa ny antoko Harena fa tsy ananan’ny vahoaka fahatokisana ny governemanta ka mila ravaina sy ovana. Miantso ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra ny tenany, araka izany, handray ny andraikiny dieny izao momba ny fananganana io governemanta vaovao io. Nisy moa ny fihaonan’ny mpitantana ny antoko tamin’ireo mpikambana avy amin’ny boriborintany enina mandrafitra an’Antananarivo Renivohitra ny sabotsy lasa teo. Nandritra izany no nifanakalozan-kevitra sy nifanentanana momba ny fitantanana ny antoko.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT