Manohana feno ary mbola mampahery ireo raiamandreny am-panahy mivondrona ao amin'ny FFKM i Lezava Fleury, filohan'ny antoko Harena amin'ny fitadiavam-bahaolana eto amin'ny firenena.
Aminy dia ny fanombohana ny fampihavanana ataon'ny FFKM izay miafara amin'ny fifidianana ihany no hany vahaolana tokana hivoahana amin'ny krizy. Hatreto mantsy, araka ny nambarany, na dia hivory hanapaka ny daty hanatanterahana ny fifidianana miaraka amin'ny CENI-T aza ireo voakasik'izany ny 16 jolay ho avy izao dia miankina hatrany amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany satria any amin'ireto farany avokoa ny vola. Vola izay miankina amin'ny fivalian'ny fitakian'ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny amin'ny tsy maintsy hialan'izy telo mianadahy mianaka tsy ho kandida amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Raha izany anefa no tena fanapahan-kevitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy i Lezava Fleury dia tokony hanala ireo kandida voalazan'izy ireo miisa 10 fa tsy ara-dalàna koa izy ireo fa tsy izy telo mianadahy mianaka ihany.
Natao ho an'ny rehetra mantsy ny lalàna hoy ihany i Lezava Fleury ka tokony hampiharina amin'ireo izay tsy manaraka izany. Raha toa kosa ka antony hafa no tsy hankasitrahan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy telo mianadahy mianaka dia tokony hambaran'izy ireo ny vahoaka Malagasy izany mba tsy hahatompon-trano mihono ireto farany. Ho an'ny antoko Harena moa dia efa vonona hatrany izy ireo amin'ny fiatrehana ny fifidianana. Notsindrian'ny filohany Lezava Fleury fa mety aminy ny fihemoran'ny fifidianana tahaka izao raha toa ka izay no hahatsara zavatra mba hiadanan'ny vahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.